Teboka famantarana #6

IREO ANKIZIN’NY LALANA (LES ENFANTS DE A RUE)

Araka ny traikefan’ny Samu Social International, izay niasa nanomboka tamin’ny taona 1998
Ary koa araka ny fampiofanana teo anivon’ny fikambanana Grandir à Antsirabe, natao tamin’ny taona 2016 niarahana tamin’i Manon, izay mpianatra tao amin’ny DU « Tanora sy ankizin’ny lalana » avy amin’ny SSI ary i Noro, mpandrindra ny Programme de Protection des Enfants des Rues (PPER), Grandir à Antsirabe.

 

→ Cliquez ici pour la traduction malagasy 

 

#6 – FIAINANA ENY AMIN’NY LALANA SY NY FIOVANA EO AMIN’NY FOTOANA?

Ny tondrolalana miova voalohany rehefa tonga eny amin’ny lalana dia ny fotoana. Ny tontolo androntsika dia voamariky ny fotoana hifohazana, hatoriana ary ny fotoana hisakafoanana. Ahafahana miaina amin’io tontolo io, dia miezaka manaraka ny famantarana ny rafitry ny fomba fiaina ny vatana.

Eny amin’ny lalana, ny fotoana hatoriana sy hisakafoanana dia tsy voafaritra intsony ,matory na misakafo rehefa afaka manao izany, noho izany :

  • Ny fotoana hatoriana dia miova arakaraky ny filaminana eny amin’ny fiainan’ny lalana
  • Ny fotoana hisakafoanana dia miovaova, miankina amin’ny fahitana sakafo

Ny fiovan’ireo zavatra hiainana andavanandro ireo dia mahatonga ny fotoana tsy mety tapitra : very ny rafitry ny fotoana, tsy misy intsony ny ankehitriny sy ny ho avy hanamarihana ny fotoana. Mikorontana ny famantarana ny rafitry ny fomba fiaina.

 

Inona no fandraisana an- tanana tokony hatao manoloana izany?

Tena ilaina ny mamerina indray ny rafitry ny fotoana. Hamerenana izany dia efa misy ora mazava napetraka ao amin’ny trano fandraisana vonjimaikan’ny fikambanana : ora fisokafana, ora fisakafoanana, ora fatoriana sy fifohazana ary ora fialana.

 

Lire aussi :   BiblioPousse : vaky boky, fanabeazana, fialam-boly,...
…lasa izao

…lasa izao

…Nihazo ny lalana mankany amin’ny toeram-piompiana Tombontsoa izy ireo. I Njaka izay mpiofana tao amin’ny ekipan’ny PPER, niaraka tamin’ireo mpilatsaka antsitra-po julie sy i Marion ary koa ny mpanabe Arsène no niara-nisalahy nanomana ny tontolo andro tany amin’ny toeram-piompiana (…)

Ny fanomanana ny nahandron’ny mpikambana

Ny fanomanana ny nahandron’ny mpikambana

Isaky ny atoandro dia miara-misakafo eo amin’ny tokontanin’ny fikambanana ireo ekipan’ny Grandir à Antsirabe sy ny Rencontre Avec Dago, miara-mankafy ny sakafo matsiro nokarakarain’i Claudine sy i Josiane tam-pitiavana. Ndao hojerena (…)

Ny fanomanana ny maraude

Ny fanomanana ny maraude

(…)Aminin’ny 5ora ! miala eny am-piasana daholo ireo ekipa maraude mihazo ny lalana makany amin’ny « Maison de Grandira ». Avy hatrany dia any an-dakozia mikarakara ny sakafo ariva sy ny farilac ary dité, ho an’ireo ankizy matory eny amin’ny lalana (…)

MG

Teboka famantarana #6