Teboka famatarana #3

IREO ANKIZIN’NY LALANA (LES ENFANTS DE A RUE)

Araka ny traikefan’ny Samu Social International, izay niasa nanomboka tamin’ny taona 1998
Ary koa araka ny fampiofanana teo anivon’ny fikambanana Grandir à Antsirabe, natao tamin’ny taona 2016 niarahana tamin’i Manon, izay mpianatra tao amin’ny DU « Tanora sy ankizin’ny lalana » avy amin’ny SSI ary i Noro, mpandrindra ny Programme de Protection des Enfants des Rues (PPER), Grandir à Antsirabe.

 

→ Cliquez ici pour la traduction malagasy 

 

#3 – MIVELONA ENY AMIN’NY LALANA

Rehefa tonga eny amin’ny lalana ny ankizy iray dia mametraka paik’ady hivelomany :

1/ Paik’ady amin’ny toerana

Fisafidianana toerana amin’ny alalan’ny fitsipikaroa :

  • Toe-karena

Toerana hiroboroboan’ny toe-karena (Tsena, gara…) ahafahana mangataka, miasa na mangalatra.

  • Ara-tsaina

Toerana ahafahany matory am-pilaminana

Tsy ny vondrona no misafidy ny toerana fa ny  toerana no mamolavola vondrona.

Ireo tanora no manangana toerana mahavoaharo ao anatin’io toerana io.

Ny fahitana ny toerana ihany koa dia miteraka voka-dratsy satria manidy tena tsikelikely ao anatin’io toerana io izy ary miteraka fatahorana hiala amin’io toerana ahitany filaminana io. Ny toerana hafa ankoatry ny lalana dia heverin’ilay tanora ho toerana mitera-doza, toerana mbola tsy fantatra ary tsy misy filaminana.

2/ Paik’ady amin’ny vondrona

Fisafidianana vondrona : fitadiavana filaminana sy famantarana

Ny fitsanganan’ny vondrona dia miteraka anjara asa mazava ho an’ny mpikambana tsirairay (isaky ny antoko dia misy antana-tohatra, misy ny mpitarika ary misy ireo mizaka ny tsindry hazolena) fa ihany koa ny “fiankinan-doha” amin’ny iray amin’ireo mpikambana.

Io fifandraisam-po ara-tsosialy io dia anisan’ny manamarika ireo tanora ary mahatsiaro tena ho tandindonin-doza izy raha tapaka io fifandraisana io.

Na dia jadona aza io fifandraisana io dia manana endrika filaminana, satria dia afaka ahitana endrika fanararaotam-pahefana izany ho takalon’ny fiarovana, indrindra eo amin’ireo lehibe izay manindry ny kely (fakana an-kitsirano, herisetra…)

Lire aussi :   Portrait: Ursula "la petite fée des soins" ao amin'ny CHT sy mandritra ny "maraude"
…lasa izao

…lasa izao

…Nihazo ny lalana mankany amin’ny toeram-piompiana Tombontsoa izy ireo. I Njaka izay mpiofana tao amin’ny ekipan’ny PPER, niaraka tamin’ireo mpilatsaka antsitra-po julie sy i Marion ary koa ny mpanabe Arsène no niara-nisalahy nanomana ny tontolo andro tany amin’ny toeram-piompiana (…)

Teboka famantarana #6

Teboka famantarana #6

Eny amin’ny lalana, ny fotoana hatoriana sy hisakafoanana dia tsy voafaritra intsony ,matory na misakafo rehefa afaka manao izany, noho izany :
– Ny fotoana hatoriana dia miova arakaraky ny filaminana eny amin’ny fiainan’ny lalana
– Ny fotoana hisakafoanana dia miovaova, miankina amin’ny fahitana sakafo (…)

Ny fanomanana ny nahandron’ny mpikambana

Ny fanomanana ny nahandron’ny mpikambana

Isaky ny atoandro dia miara-misakafo eo amin’ny tokontanin’ny fikambanana ireo ekipan’ny Grandir à Antsirabe sy ny Rencontre Avec Dago, miara-mankafy ny sakafo matsiro nokarakarain’i Claudine sy i Josiane tam-pitiavana. Ndao hojerena (…)

Ny fanomanana ny maraude

Ny fanomanana ny maraude

(…)Aminin’ny 5ora ! miala eny am-piasana daholo ireo ekipa maraude mihazo ny lalana makany amin’ny « Maison de Grandira ». Avy hatrany dia any an-dakozia mikarakara ny sakafo ariva sy ny farilac ary dité, ho an’ireo ankizy matory eny amin’ny lalana (…)

MG

Teboka famatarana #3