Faran’ny septambra teo no nanatanterahana ny andiany faharoa amin’ny hetsika « sport pour tous » izay karakarain’ny vondrona OSCAPE eto Antsirabe. Nandritry ny telo andro no nadraisana ireo ankizi’ny fikambanana mpikambana ao amin’ny vondrona ary anisan’izany ny ankizin’ny fikambanana Grandir à Antsirabe.
Fihaonana mampialavoly eo amin’ny samy fikambanana
Nitovy tamin’ny herintaona ihany, ity hetsika ity dia tafiditra ao anatin’ny « commission sport et loisir » ao amin’ny tambazotra. Ny tanjona nadritra ny telo andro ? mampiroborobo ny fihaonana amin’ny fikambanana ary manamafy ny fifandraisana efa misy eo amin’ny samy mpikambana, eo amin’ny samy ankiz ary eo amin’ny samy mpanabe ka tao no nisy tena navitrika tamin’ny filatsahana antsitra-po.
Samy nahazo ny anjara tandrify azy
Teo amin’ny kianja lehibe izay nampidramin’ny orinasa Star no nihaonan’ireo fikambanana 12 izay nahitana hetsika karazany 32 : fanatanjahantena, Lalao, fampisehoana sy dihy. Tsy hitahita akory dia tapitra ny telo andro !
Nanomboka tamin’ny fandaminana ny toerana ny maraina, narahan’ny filatroana nataon’ireo fikambanana sy ny kabarin’ireo manam-pahefana. Tsindrina manokana ny fanentanana tamin’ny alalan’ny tanisa sy dihy nataon’ny ankizin’ny fikambanana zaza mendrika.
Teo amin’ny lalao indray dia maro ireo safidy ka tsy hay izay safidiana : « échec », kanety na koa katro. Teo amin’ny fanatanjahan-tena ihany koa dia nalalaka ny safidy : baskety, kitra sy fifaninanana hazakazaka. Niforona ho azy ny ekipa mifangaro eo amin’ny samy mpikambana ary nanomboka nifandray izy ireo.
Ankizin’ny CHT tena nafana fo
Nosahanin’ireo mpanabe mpanao fanatanjahan-tena, Toky sy Arsène, miaraka amin’ireo mpilatsaka antsitra-po 6 ireo ankizy CHT miisa 20, izay afaka nisitraka iny fotoana feno ezaka sy fifanakalozana iny. Ny sasany tamin’izay ireo aza moa dia tena niavaka tokoa : ohatra tamin’izany ny nahazoan’ny mpilalaon’ny fikambanana voalohany tamin’ny toraka kapoaka !
Sakafo ô !
Ny atoandro dia isy ny fiaraha-misakafo ! Ny fikambanana tsirairay no nitondra ny sakafo (mitovy ho an’ny rehetra mba hisian’ny fitoviana) sady nanararaotra ny fotoana mba hifanankalozana amin’ny hafa.
Ny tapak’andro hariva farany dia voamariky ny fizarana diplaoma ho an’ny tsirairay, ny fizarana yaourt avy amin’ny orinasa Socolait ary fanomezana ho an’ny ankizy tsirairay.
Fisaorana lehibe ho an’ny tambazotra OSCAPE dia amin’ny herin-taona indray ho an’ny andiany fahatelo !
Portrait/ Nandrianina : ilay mpisolo vava ny ankizin’ny lalana
Izy ilay tovavy, lava tongotra, mitety sekoly sy fikambanana maro eto Antsirabe (na tsy eto koa). Ny anton-dia ? Manao fanentanana sy mizara traikefa (any amin’ny fikambanana) mahakasika ny fiainan’ireo ankizy miaina eny an-dalana.
Fialana kely amin’ny MAHAZATRA
Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊
Portrait/ Mamy, tovovavy mpikirakira tarehimarika
Mpiasa tato amin’ny Grandir à Antsirabe nanomboka tamin’ny taona 2017, itantara amintsika ny lalana nizorany sy ny maha mpikirakira tarehimarika azy amintsika i Mamy.
Alakamisy 22 martsa 2018 : fitokanana ny trano fandraisana vonjimaikan’ny fikambanana Grandir à Antsirabe
Fotoana mipetraka ho tantara Mipetraka ho tantara mipetraka sy dingana lehibe ho an’ny fikambanana ny nanokanana ny trano fandraisana vonjimaika ny alakamisy 22 martsa 2018 tao amin’ny fokontanin’Ampatana Antsirabe, asa izay notanterahina tao anatin’ny enim-bolana !...
Ny fanomanana ny maraude
(…)Aminin’ny 5ora ! miala eny am-piasana daholo ireo ekipa maraude mihazo ny lalana makany amin’ny « Maison de Grandira ». Avy hatrany dia any an-dakozia mikarakara ny sakafo ariva sy ny farilac ary dité, ho an’ireo ankizy matory eny amin’ny lalana (…)
Fampisehoana nataon’ny ankizin’ny CHT
SHOWCASE : Fampisehoana dihy sy hiran'ny ankizin'ny CHT → Ny sabotsy 29 oktobra 2017 Ny sabotsy 28 oktobra 2017 no notanterahina teto Antsirabe ny hetsika voalohany amin’ny fami ntinana ny fampianarana mozika ho an’ireo ankizin’ny trano fampiantranoana...