PORTRAIT : Nanampy tao amin’ny « administration » no nanombohan’i Nandrianina tato amin’ny fikambanana. Ankoatran’izay dia mpiandraikitra ny asa fanentanana mahakasika ny fahasalamana ara-pananahana nandritra ny « maraude » ihany ko izy. Amin’izao fotoana izao kosa dia izy ilay tovavy, lava tongotra, mitety sekoly sy fikambanana maro eto Antsirabe (na tsy eto koa). Ny anton-dia ? Manao fanentanana sy mizara traikefa (any amin’ny fikambanana) mahakasika ny fiainan’ireo ankizy miaina eny an-dalana.
Mba lazaoa anay kely hoe ry Nandrianina ny atao amin’izany « manentana sy mampahafantatra momba ny ankizy miaina eny an-dalana » eny anivona sekoly sy rafitra samihafa izany ?
Ity tetikasa ity aloha dia vao napetraka ny faraparan’ny taona 2018 teo. Tanjona kendrena amin’izany ny hampahafantatra ny olona sy ny firaha-monina ny « zava-misy » iainan’ireny ankizin’ny lalana ireny. Izay fampahafantarana izay avy eo no « hanentanana » azy ireo hanova fijery (sy fihetsika na fomba fanao) manoloana ireny ankizy ireny.
Talohan’ny namolavolana ilay « endrim-panentanana » ho atao amin’ny olona sy eny anivon’ireo sekoly, dia nanao fanadihadihana teny ifotony aloha ny tenako, hahafantarana ny hevitra sy ny fandraisan’izy ireo ireny « ankizin’ny lalana » ireny (be fanontaniana be). Ireo angon-kevitra tamin’izany no nandrafetana « ny fanentanana » avy eo.
Somary maha lava tongotra kely ilay asa !
Dia ohatry ny ahoana ny dingana atao rehefa andeha hanentana any amina sekoly iray ?
Mila manatona any amin’ilay sekoly aloha voalohany indrindry. Ho an’ireo sekoly tsy miankina dia tsy dia sarotra ny dingana atao satria miresaka amin’ny talen’ny sekoly fotsiny dia mety : mila mahay miresaka tsara. Fa ho an’ny sekolim-panjakana dia tsy maintsy nangataka alalana tany amin’ny « chef CISCO Antsirabe I, fa efa azo ilay izy (rehefa niandry maharitra).
Rehefa mahazo alalana avy amin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny dia miroso amin’ny fanentanana. Raisina isaky ny kilasy ny ankizy na arakarakin’ny fandaminana amin’ny ora eo. Harindra mifanaraka amin’ny fotoana ihany koa ny halavan’ny fanentanana atao.
Dia Nandrianina ve izany tonga dia miresaka be fotsiny sa manao ahoana ny atao ?
Tsy miresaka be ka, fa atao amina endrika kilalao ilay izy, amin’izay tsy mora mankaleo. Misy « quizz » atao ohatra hanombohana azy. Avy eo misy kilalao izay hangalan’ny ankizy toerana ankizin’ny lalana iray. Dia hamaranana azy ilay « slam : handao hanova fijery ».
Tsy mitovy ny endrikin’ny fanentanana atao amin’ny ankizy kely sy ny tanora : efa manana endrika fanentanana maro. Raha any amin’ny fikambanana indray dia somary lalindalina kokoa.
Mahaliana izy izany, fa ono oa e, inona no nifidiananao an’ny Grandir à Antsirabe ?
Te hanampy ireo ankizy tra-pahasahiranana aho.
Mba zarao aminay ary hoe ny fahatsiaravana nanamarika anao tato amin’ny fikambanana ?
Ny fihaonako tamin’ireo ankizy matory eny an-dalana nandritran’ny « maraude » voalohany ntaoko. Nampihetsimpo ahy tokoa ny fomba nandraisana ahy.
Inona kosa ary ny firariny ataon’i Nandrianina ho an’ny fikambanana amin’ny taona ho avy rehetra e ?
Manantena aho hoe : Hahavita hanala ireo ankizin’ny lalana eny an-dalambe ny fikambanana. Tsy midika akory izany hoe tsy hisy intsony ny fikambanana fa ho tanteraka ny nofiny sady afaka hanampy olona.
Portrait chinois…
Raha biby ianao dia ?
Vorona ! (manidina), afaka mibanjina ny tontolo avy eny ambony eny e ! Mahita ny zava-misy sady afaka miasa haingana.
Sakafo ?
« Cafés gourmands » mitovy amiko mihintsy, afaka mifanaraka amin’ny zava-misy rehetra, ohatran’ny « cafés gourmands » tian’ny olona rehetra.
Raha film ?
Film « the Choice » ; tantaram-pitiavana olondroa, nanamarika be ahy tamin’ny tantaran’izy ireo ny hoe « mila misafidy ianao eo amin’ny fiainana » (ary miankina amin’izany ny ho avinao).
Toetra tsara sy toetra ratsy ?
Sarotra amiko ny mamerina fifandraisana efa tapaka : tsy mora mamela. Fa za kosa anefa dia olona tena mora ifandraisana.
Ary raha teny filamatra kosa ?
Avy amiko ity fa tsy nindramako : « Tsy ho tanteraka mihintsy ny nofy iray raha tsy ianao ihany no manao ny ezaka rehetra ahatanterahan’izany. »
Fialana kely amin’ny MAHAZATRA
Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊
Portrait/ Mamy, tovovavy mpikirakira tarehimarika
Mpiasa tato amin’ny Grandir à Antsirabe nanomboka tamin’ny taona 2017, itantara amintsika ny lalana nizorany sy ny maha mpikirakira tarehimarika azy amintsika i Mamy.
Alakamisy 22 martsa 2018 : fitokanana ny trano fandraisana vonjimaikan’ny fikambanana Grandir à Antsirabe
Fotoana mipetraka ho tantara Mipetraka ho tantara mipetraka sy dingana lehibe ho an’ny fikambanana ny nanokanana ny trano fandraisana vonjimaika ny alakamisy 22 martsa 2018 tao amin’ny fokontanin’Ampatana Antsirabe, asa izay notanterahina tao anatin’ny enim-bolana !...
Ny fanomanana ny maraude
(…)Aminin’ny 5ora ! miala eny am-piasana daholo ireo ekipa maraude mihazo ny lalana makany amin’ny « Maison de Grandira ». Avy hatrany dia any an-dakozia mikarakara ny sakafo ariva sy ny farilac ary dité, ho an’ireo ankizy matory eny amin’ny lalana (…)
Fampisehoana nataon’ny ankizin’ny CHT
SHOWCASE : Fampisehoana dihy sy hiran'ny ankizin'ny CHT → Ny sabotsy 29 oktobra 2017 Ny sabotsy 28 oktobra 2017 no notanterahina teto Antsirabe ny hetsika voalohany amin’ny fami ntinana ny fampianarana mozika ho an’ireo ankizin’ny trano fampiantranoana...