Mpiofana ho injeniera manome tanana amin’ny fananganana ny CHT
→ Asa ifanomezan-tanana 2017
Tamin’ity taom-pialan-tsasatra ity dia misy mpianatra sivy izay avy amin’ny taona voalohany sy faharoan’ny ivotoeram-piofanana CESI any Nanterre Frantsa sy la Réunion, tonga hifanolo-tanana amin’ny fananganana ny trano fampiantranoana vonjimaika vaovao na CHT eto anivon’ny fikambanana Grandir à Antsirabe.
Tena ilaina ny manatanteraka ny traik’efa azo amin’ny alalan’ny fotodrafitrasa manampy ny mpiara-belona toy izay any amin’ireny orinasa tsy miankina ireny
Ny fifanampiana amin’ny mpiara-belona no tena zava-dehibe amin’ireto tanora ireto ary izany no antony voalohany nahatongavany eto Antsirabe. Fa antony hafa koa amin’ny fahatongavan’izy ireo ny famantarana an’I Madagasikara sy ny kolon-tsaina Malagasy.
Ankoatran’ny asa fanorenana ataon’izy ireo sy manampy ny mpiasa eto an-toerana dia mandray anjara ihany koa izy amin’ny hetsika ataon’ny fikambanana amin’ny fiarovana ireo ankizy miaina eny amin’ny lalana toy ny BiblioPousse, ny CinéRue, DanseLaRue na koa ho an’izay maniry ny Maraudes.
Traik’efa ahazoana tombon-tsoa na ara-kasa na araka ny maha-olona
Raha ny salan’isa no jerena dia mizara toy izao ny fotoam-piasan’izy ireo, 30% natokana ho an’ny fandalinana ary 70% ho an’ny fananganana. Tombony ho azy ireo izany satria dia mahafantatra ireo fomba fiasa eto an-toerana amin’ny resaka fananganana fotodrafitr’asa izy ireo izay tsy hitany any amin’ny firenena misy azy.
Efa misy ihany amin’izy ireo no miasa amin’ny fifanomezan-tanana any Frantsa fa traik’efa voalohany ity ho an’ny ankamaroan’izy ireo. Miteraka fahalalahan’ny toe-tsaina amin’ny fiainan’izy ireo any Frantsa ity fivahinianana ity ho an’ireo zatovo ireo, fahatongavan-tsaina amin’ny fiainan’izy ireo ankapobeny. Nampametra-panontaniana azy ireo ny fiainany any ampita noho ny fahitany kolon-tsaina vaovao.
Fitsidihan-toerana vaovao
Ny fahatongavan’izy ireo tao andrenivohitra no somary nanohina ireo sasantsasany ; fiovan-toerana tanteraka. Ny fahamaroan’ireo mpangataka, ny fahantrana ary ny fahamaizinan’ny toerana no nandona azy ireo, nefa na izany aza dia namafisin’izy ireo fa tsara ny fandraisana na tany Antananarivo na teto Antsirabe. Misy ny fifanakalozana sy fifampizarana eo amin’ny Malagasy sy “Vazaha” ary ankafizin’izy ireo ny hetsika misy eto an-toerana.
Tiako ny sakafo eto ary mahafinaritra ireo mponin’Antsirabe, tsara fanahy zareo
Mbola tsy teto Madagasikara mihitsy ireo tovolahy ireo. Nieritreritra izy ireo hoe tsy dia hangatsiaka loatra ny andro, kanefa ny ririnina eto Antsirabe dia mangatsiaka tokoa tsy araky ny nieritreretan’izy ireo azy. Ho an’ny sasany dia ireo zava-maniry no nahagaga azy, ary tsy noeritreretiny ho maina be ny tany rehefa tsy avy orana.
Ny tena nanamarika an’i Jérémy izay anisan’ireo hivoaka injeniera atsy ho atsy dia ny fanodinana ireo akora efa avy nampiasaina, fomba iray ahafahana miaro ny tontolo iainana sy ny olana misy eo amin’ny fanjifana izay adino tanteraka any Frantsa saingy efa miverina tsikelikely izany.
Mitsidika ny tanana izy ireo rehefa faran’ny herinandro, efa nitsidika an’i Tritriva izy ireo izay toerana mampalaza an’Antsirabe ary koa nanamboatra antsy izay notefen’izy ireo ihany tany amin’ny toerana fanefena vy eto an-toerana. Mikasa ny mbola hitsidika ny nosy zy ireo ato anatin’ny volana manaraka.