Fandraisan’ny ekipa Grandir à Antsirabe anjara amin’ny hazakazaka arahin-tsakana Mandrevo
Ny Zoma 24 jona no notanterahina ny andiany faharoa amin’ny hetsika ara-kolontsaina sy ara-panatanjahan-tena Mandrevo, tao Androvakely. Mandrevo izay hetsika karakarain’ny fikambanana SPV felana ho fampiroboroboana ny faritra, 7 km eo ho eo miala an’Antsirabe no misy azy.
Ny ekipan’ny fikambanana eto antoerana dia nandray anjara mavitrika, nahitana ekipa roa niaraka tamin’ireo ekipa mpanohana tamin’ny lalao nandritry ny fihetsiketsehana. Ny ekipan’ny Grandir à Antsirabe izay nifaninana tamina ekipa 40 hafa izay nahitana fikambanana hafa ary koa ireo mpandray anjara rehetra izay nisoratra anarana.
“La course qui vous fait voir toute les couleurs” na koa adika tsotsotra hoe « Hazakazaka ahitanao ny loko rehetra »
Hazakazaka tsy mitovy amin’ny mahazatra tokoa, satria dia 400m miverina indroa no natao ary ahitana sakantsakana maromaro:
– Fitarihana sarety
– Fitarihana kodiarana amin’ny tady
– Hazakazaka amin’ny gony
– Fandadizana amin’ny tany
– Hazakazaka anaty kodiarana
– Sakana arahin-davaka
Satrinay ny hanome ny vokatry ny lalao amin’ny antsipirihany, fa ny ekipan’ny fikambanana na dia navitrika tokoa aza dia tsy tafiditra tanatin’ny telo voalohany… na ny folo voalohany…
Mankasitraka azy ireo ihany ( na izany aza 🙂)
Tsipy kanety be, sora-drindrina, fampisehoana
Nifampotoana ny maraina ireo mpandray anjara ary nisy ny fiara mpitatitra ireo mpandray anjara rehatra. Feno ny fandahara-mpotoana nandritra ny tontolo andro: fifaninanana tsipy kanety be (mampalaza ny eto an-toerana) tsiroaroa, fampisehoana haisary amin’ny rindrina, fampisehoana an-tsehatra niarahana tamin’ireo mpanakanto avy eto an-toerana. Fotoana mamy nifampizarana.