Tojononiaina, na « Tojo » no anarany. Tanora noraisina tao amin’ny kilasimandry na ny « internat » * Grandir à Antsirabe taloha izy. Eto dia mifampizara amintsika ny tantarany izy amin’ity resadresaka ity.
*Ny kilasy mandry na ny « internat » dia nandray an-tanana ireo zanak’olona tena sahirana izay tetikasa nataon’ny Grandir à Antsirabe teo aloha. Nifarana tamin’ny taona 2016 io tetikasa io ka nisolo ny Fandaharanasa ho Fiarovana ny Ankizy Miaina eny an-dalambe (PPER). Manao fanaraha-maso ny fiainan’ireo tanora ireo hatrany ny fikambanana.
Tovolahy avy amina fianakaviana sahirana i Tojo. Ny reniny no nitaiza azy. Vao tamin’ny faha 13 taonany dia efa niditra tamin’ny sehatry ny asa sahady ny tovolahy kely. Tsy karamana vola fa karama vary masaka. Nanampy tamin’ireo asa aman-draharaha tamina tokatrano iray.
Tamin’ny 2008, nandondom-baravarana tao amin’ny Grandir à Antsirabe ny reniny. Nanankina azy ireo ny fandraisana an-tanana ny zanany
Lazao anay ary Tojo hoe inona ny fiovana nisy teo amin’ny fiainanao regefa tonga tao amin’ny Grandir à Antsirabe ianao ?
Niova tanteraka ny fiainako. Afaka nianatra ampilaminana ahy. Nilalao toy ny ankizy rehatra. Nahazo namana mitovy amiko. Tsy nanirery aho fa notiavina. Anisan’ny nanamarika ahy tamin’izany ihany koa ny fifaneraserana tamin’ireo vazaha maro be.
Niaina toy ny fianakaviana izahay tao amin’ny « internat » : mandray anjara amin’ny raharaha madinika toy ny mahandro sy manadio trano sy ny fandaminana. Nanokatra ny lalana ho amin’ny ho aviko sy namolavola ahy ny fiainako tao amin’ny Grandir à Antsirabe.
Mpahandro ao amin’ny hôtel « Couleur Café » ianao amin’izao, mba zarao aminay hoe ny lalanao nahatonga anao tamin’izany ?
Rehefa nahavita fianarana aho dia nanao andran’asa (stage) momba ny mécanique-auto. Tsy tody hatramin’ny farany tamin’io anefa aho noho ny aretina lamosina sy lohalika izay efa nitaiza ahy. Tsy maintsy nitady asa hafa aho hianarako ahafahako miatrika ny ho aviko. Tadidiko tsara fa tamin’izaho mbola tany amin’ny « internat » dia toerana anisany tena tiako ny ao an-dakozia. Satria nahoana hoy ianao ? tiako ny mahandro ! Noho izany rehefa nijanona tamin’ilay andran’asa momba ny « mécanique-auto » aho dia tapa-kevitra ny hanao ny zavatra tiako, mahandro, ho asako.
Dia nandeha ny fikarohana. Farany noraisin’ny hotely « Couleur Café » hanao andran’asa tao aho. Dia nianatra sy nanaraka ny toromarika rehetra. Tapitra ny 9 volana, fotoana tsy ninkelezan’aina fa nikirizana tokoa dia voaray hiasa tao aho, vaovao tsara aoka izany ! Tena faly aho satria tiako ny asako. Fanampin’izany dia afaka manapy ara-bola ny reniko sy ireo irai-tampo amiko aho.
Rehefa afaka nisidina irery amin’izay aho dia nandao ny « internat » Grandir à Antsirabe ny oktobra 2015. Alahelo tokoa no nisarahana tamin’izany. Nahoana tokoa moa no tsy alahelo nisaraka tamin’ireo namana izay noraisina toy ny irai-tampo sy ireo mpanabe izay nitaiza sy nanampy? Tsy maintsy nisy ny ranomaso.
Hary elatra ka lasa nisidina, arabaina ! Manao ahoana kosa ary ny mahakasika ny asan’i Tojo e ?
Tsy manana toerana raikitra ao an-dakozia. Indraindray mahandro, indraindray, manao mofo : azo lazaina hoe « polyvalent » aho. Ankoatra ny asako ao dia manao « traiteur » amin’ireo fety na hetsika mila izany aho. Tena ahafahako mianatra zavatra maro ny asako.
Efa 4 taona ianao izay no tao amin’ny « Couleur Café » ! manana vina hafa ve any ho any ?
Mazava ho azy ! te hifototra bebe kokoa amina asa tena aho, mahandro ihany, fa ho hita eo hoe hanao ahoana.
Misy hafatra ary ve tiana hampita amin’ny ankizy e ?
Ie, tena mila miasa mafy sy mila fikirizana satria tsy mora ny fiainana, mila ezaka be izany. Mahereza dia aza adino ny mivavaka !
Misaotra indrindra Tojo tamin’izay fifampizarana nataonao izay ! Mirary soa sy fahombiazana amin’ny ketriketrika ho atao !
Portrait/ Nandrianina : ilay mpisolo vava ny ankizin’ny lalana
Izy ilay tovavy, lava tongotra, mitety sekoly sy fikambanana maro eto Antsirabe (na tsy eto koa). Ny anton-dia ? Manao fanentanana sy mizara traikefa (any amin’ny fikambanana) mahakasika ny fiainan’ireo ankizy miaina eny an-dalana.
Fialana kely amin’ny MAHAZATRA
Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊
Portrait/ Mamy, tovovavy mpikirakira tarehimarika
Mpiasa tato amin’ny Grandir à Antsirabe nanomboka tamin’ny taona 2017, itantara amintsika ny lalana nizorany sy ny maha mpikirakira tarehimarika azy amintsika i Mamy.
Alakamisy 22 martsa 2018 : fitokanana ny trano fandraisana vonjimaikan’ny fikambanana Grandir à Antsirabe
Fotoana mipetraka ho tantara Mipetraka ho tantara mipetraka sy dingana lehibe ho an’ny fikambanana ny nanokanana ny trano fandraisana vonjimaika ny alakamisy 22 martsa 2018 tao amin’ny fokontanin’Ampatana Antsirabe, asa izay notanterahina tao anatin’ny enim-bolana !...
Ny fanomanana ny maraude
(…)Aminin’ny 5ora ! miala eny am-piasana daholo ireo ekipa maraude mihazo ny lalana makany amin’ny « Maison de Grandira ». Avy hatrany dia any an-dakozia mikarakara ny sakafo ariva sy ny farilac ary dité, ho an’ireo ankizy matory eny amin’ny lalana (…)
Fampisehoana nataon’ny ankizin’ny CHT
SHOWCASE : Fampisehoana dihy sy hiran'ny ankizin'ny CHT → Ny sabotsy 29 oktobra 2017 Ny sabotsy 28 oktobra 2017 no notanterahina teto Antsirabe ny hetsika voalohany amin’ny fami ntinana ny fampianarana mozika ho an’ireo ankizin’ny trano fampiantranoana...