PORTRAIT : Ny volana jona 2018 i Faranah no tonga tato amin’ny Grandir à Antsirabe, maso vaon’ny fikambanana. Tsy misaraka amin’ny fankan-tsary ny tovolahy satria iny no angady entiny miasa. Izy no mandrakitra ho sary ireo hetsika sy atrikasa maro ataon’ny fikambanana. Tsy izay ihany, fa maka ireo sary ilain’ny « agence de voyage solidaires Rencontre avec Dago » (agence eto an-toerana izay mandrotsaka manontolo ho an’ny Grandir à Antsirabe ny tombombarotrany) ihany ko izy sy ny réseau OSCAPE.
Inona daholo ry Faranah no tena anjara asanao ?
Mandrakitra ho sary na horonan-tsary ireo atrikasa sy hetsika rehetra karakarain’ny fikambanana. Rehefa vita ny fangalana sary dia mandamina sy mifantina ary manatsara azy ireo, io no tena andaniako fotoana lava. Tena zava-dehibe tokoa io asa io satria manampy be dia be ireo mpiara-miasa ahita mora ny sary ilainy hampiasana amin’ireo tatitra maro samihafa na alefa any amin’ireo tambazotra sosialy.
Fa inona no nanosika anao hiasa ato amin’ny fikambanana ?
Rehefa nahavita fianarana momba ny multimédia izay nataoko nandritra ny 3 taona aho, dia naniry ny hampihatra ny fahaizana noratoviko amin’ireny fikambanana miasa ho an’ny fiarahamonina ireny. Nanaitra sy nahasarika ahy mihintsy ny asa ataon’ny Grandir à Antsirabe ka izany no mahatonga ahy eto !
Ho avy manao ahoana ary no irinao ho an’ny fikambanana ?
Maniry aho hoe ho fantatra manerana an’ny Madagasikara ny asa ataon’ny Grandir à Antsirabe !
Portrait chinois…
Raha biby ianao dia ?
Hoy aho hoe, Soavaly. Sady afaka miara-miasa amin’ny olona ny soavaly no tsy very koa raha miasa irery, fahaiza-manao ananako tsara.
Ary raha héros ?
Mety hoe tsy dia miavaka loatra ny valin-teniko fa « Superman » ny ahy, hamonjy ny olona.
Raha zavatra indray ?
Penina, ahafahako mametraka ho tadidy ny zavatra tsapako rehetra.
Toetra ratsy ary e ?
Saro-kenatra.
Toetra tsara ?
Tia karokaroka, ilaina be mihintsy amin’ny maha mpaka sary ny tena. Mila mandry ilika sy mandinika tsara ary mikaroka vao mahavita maka sary tsara.
Ary raha teny filamatra kosa ?
Misy, mitovy amiko tsara : « les folies sont les seules choses qu’on ne regrette jamais »
Teny farany ary e!
Mahafinaritra ny miara-miasa amin’ny ekipa ato satria sady mahay mifampitondra dia mampazoto miasa no mahay mijery ny lafin-javatra tsara amin’izay atao ! Mazotoa be daholo !
Portrait/ Nandrianina : ilay mpisolo vava ny ankizin’ny lalana
Izy ilay tovavy, lava tongotra, mitety sekoly sy fikambanana maro eto Antsirabe (na tsy eto koa). Ny anton-dia ? Manao fanentanana sy mizara traikefa (any amin’ny fikambanana) mahakasika ny fiainan’ireo ankizy miaina eny an-dalana.
Fialana kely amin’ny MAHAZATRA
Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊
Portrait/ Mamy, tovovavy mpikirakira tarehimarika
Mpiasa tato amin’ny Grandir à Antsirabe nanomboka tamin’ny taona 2017, itantara amintsika ny lalana nizorany sy ny maha mpikirakira tarehimarika azy amintsika i Mamy.
Alakamisy 22 martsa 2018 : fitokanana ny trano fandraisana vonjimaikan’ny fikambanana Grandir à Antsirabe
Fotoana mipetraka ho tantara Mipetraka ho tantara mipetraka sy dingana lehibe ho an’ny fikambanana ny nanokanana ny trano fandraisana vonjimaika ny alakamisy 22 martsa 2018 tao amin’ny fokontanin’Ampatana Antsirabe, asa izay notanterahina tao anatin’ny enim-bolana !...
Ny fanomanana ny maraude
(…)Aminin’ny 5ora ! miala eny am-piasana daholo ireo ekipa maraude mihazo ny lalana makany amin’ny « Maison de Grandira ». Avy hatrany dia any an-dakozia mikarakara ny sakafo ariva sy ny farilac ary dité, ho an’ireo ankizy matory eny amin’ny lalana (…)
Fampisehoana nataon’ny ankizin’ny CHT
SHOWCASE : Fampisehoana dihy sy hiran'ny ankizin'ny CHT → Ny sabotsy 29 oktobra 2017 Ny sabotsy 28 oktobra 2017 no notanterahina teto Antsirabe ny hetsika voalohany amin’ny fami ntinana ny fampianarana mozika ho an’ireo ankizin’ny trano fampiantranoana...